Tatitra momba ny fanararaotana sy fitrandrahana olona nitranga ny taona 2016

MADAGASIKARA – Sokajy 2

———————————–

Firenena iaviana lehilahy, vehivavy ary ankizy iharan’ny asa an-tery ary vehivavy sy ankizy iharan’ny fanararaotana olona amin’ny alàlan’ny fivarotan-tena i Madagasikara.  Misy ireo zaza Malagasy, indrindra ireo avy any ambanivohitra sy avy amin’ny faritra morontsiraka ary ireo fianakaviana sahirana ao an-drenivohitra, izay iharan’ny fanararaotana amin’ny fivarotan-tena, asa an-trano, asa an-tery eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, jono ary fiompiana sy fambolena manerana ny nosy. Raha ny ankamaroan’ny tranga-na fanararaotana mamoa-fady mihatra amin’ny ankizy dia mandray anjara ny havana, saingy eo ihany koa ireo mpandraharaha amin’ny fizahan-tany, mpitondra fiara karetsaka, ary ireo olon-dehibe ao anatin’io sehatra io izay mirotsaka ho mpanelanelana.  Misy ireo orinasa mpanome asa tsy ara-dalàna izay mandray zaza tsy ampy taona ka nasaina nanao asa an-tery taty aoriana. Misy ireo ankizivavy tsy ampy taona noraisina an-tsokosoko ho mpandroso sakafo na mpanotra ao Antananarivo avy eo niharan’ny fanararaotana amin’ny favarotan-tena.  Araka ny tatitra dia amin’ny toerana mahasarika ny mpizaha tany sy manodidina ireo faritra fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, na ara-dalàna io na tsy ara-dalàna, no tena mihanaka ny fanararaotana mamoa-fady atao amin’ny ny ankizy. Miha-mahazo vahana ihany koa ny fivarotan-tena mahakasika ireo zazalahy tsy ampy taona araka ireo tatitra hafa taloha. Ireo lehilahy Malagasy no tena mpanao ny fanararaotana mamoafady ny ankizy tsy ampy taona raha vahiny Frantsay sy Italianina no tena betsaka amin’ireo mpizaha tany mamoa-fady, fa misy vitsivitsy ihany ny vahiny Tandrefana hafa sy Komorianina.

Raha ny tombana dia misy an’arivony ireo vehivavy Malagasy miasa an-trano any Liban, Koweit sy Arabie Saoudite. Mandeha antsokosoko izy ireo nohon’ny fiatoan’ny fandefasana mpiasa mankany amin’ny firenena atao hoe “Pays du Golf” ka lasa mandalo an’i Maorisy, Kenya, Comores ary Afrika Atsimo. Maro amin’ireo vehivavy mandeha mila ravin’ahitra no tsy nandia fianarana ka lasa mora iharan’ny fitaka sy ny fanararaotana ataon’ny orinasa mpandray mpiasa sy ny mpampiasa.  Misy koa tatitra milaza fa misy lehilahy Malagasy iharan’ny asa an-tery amin’ny sehatry ny tao-trano any amin’ireo firenena ireo. Misy ihany koa ireo olon-tsotra mitonona ho avy amina orinasa mpandray mpiasa tsy ara-dalàna no mandray vehivavy Malagasy amin’ny alàlan’ny karapanondro sandoka ka alefany any Chine hiharan’ny asa an-tery sy amidy ho lasa vadin’olona.  Voalaza tao anatin’ny tatitra teo aloha fa misy ireo lehilahy Malagasy niharan’ny asa an-tery any ambony sambo Sinoa, ary mihamaro ihany koa izy ireo no iharan’ny fanararaotana amin’ny asa an-trano any Chine. Raha ny tatitra tany aloha avy amin’ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana dia misy tompon’adraiki-panjakana miray tsikombakomba amin’ny fahazoana karapanondro sandoka ho an’ireo ankizy tsy ampy taona, izay manamora ny fanararaotana ny ankizy tsy ampy taona amin’ny fivarotan-tena ao an-toerana sy amin’ny asa an-trano any ivelany.  Voalazan’ireo tatitra tany aloha fa misy ireo tompon’andraiki-panjakana no manjifa ny fivarotan-tenan’ireo ankizy tsy ampy taona ao Antananarivo sy ao Nosy Be, izay faritra mampihanaka indrindra ny fizahan-tany mamoa-fady mahakasika ankizy tsy ampy taona. Misy aza ireo polisy izay manome vahana kokoa ny fifandaminanana amin’ny fandoavam-bola eo amin’ny nahavanon-doza sy ny niharan’ny fanararaotana, toy izay hirotsaka amin’ny fanasaziana, ka mampahazo vahana ny tsimatimanota.

Tsy manaraka an-tsakany sy an-davany ireo fenitra farafahakeliny hamongorana ny fanararaotana olona Ny Fitondrana Malagasy, na izany aza dia nisy ny ezaka nisongadina. Tafapetraka ara-dalàna ny Biraom-panjakana misahana ny ady amin’ny fanararaotana olona ary nivory matetika ireo mpikambana nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra.  Tsy nandray fepetra araka ny tokony ho izy anefa ny Fitondrana hampiharana ny drafitr’asa dimy taona izay nanan-kery nanomboka ny taona 2015, sady tsy nanome teti-bola ampy ahafahan’ny birao niasa an-tsakany sy an-davany.  Na dia nisy folo aza ireo fanamelohana notaterin’ny Fitondrana nandritra ny taona 2015, izay betsaka kokoa oharina amin’ireo enina nandritra ny 2014, dia valo monja ny fanadihadihana notaterin’ny tompon’andraikitra mikasika ny fanararaotana olona, izay ambany dia ambany oharina amin’ireo fanadihadihana 187, herintaona talohan’io.  Mbola tsy nisy ihany ny rafitra ara-dalàna hitiliana ireo niharan’ny fanararaotana any anivon’ny vondron’olona marefo ary tsy misy ny fandraisana an-tànana azy ireo tsy tapaka.  Raha natomboka ny fandrafetana fifanarahana tamin’i Arabie Saoudite nandritra ny taona 2015, dia tsy nisy fivoarana azo tsapain-tànana loatra kosa ny momba ireo firenena hafa fandefasana mpiasa raha ny fifanarahana hiarovana ireo mpiasa Malagasy ianjadian’ny fanararaotana eo anatrehan’ny lalana.

TOLO-KEVITRA HO AN’I MADAGASIKARA:

Ampitomboina ny ezaka amin’ny fanenjehana sy fanamelohana ireo nahavanon-doza amin’ny fanararaotana olona, isan’izany ireo tompon’andraiki-panajakana mpiray tsikombakomba, ka ampiasaina ny Lalàna vaovao iadiana amin’ny fanararaotana olona ; omena teti-bola sahaza ny Biraom-panjakana misahana ny ady amin’ny fanararaotana olona ; apetraka ny rafitra ara-dalàna ahafahana mitily ara-potoana ireo niharan’ny fanararaotana sy manao ny fanadihadihana ary mandray an-tànana azy ireo ka ofanina momba izany rehetra izany ny tompon’andraikitra ; ampiharina ny drafitr’asa dimy taona iadiana amin’ny fanararaotana olona ; arahi-maso ary asiana Lalàna mifehy azy ireo orinasa mpandefa mpiasa mankany “Moyen Orient” ; atsangana ny toeram-piofanana ho an’ireo mpila ravinahitra sy ireo mpandray mpiasa ; apetraka ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena andefasana ny mpiasa ho fiarovana ireo Malagasy mpila ravinahitra ka iarahana mamaha ireo tranga-na fampijaliana ; ampitomboina ny ezaka fanentanana ny besinimaro mikasika ny fanararaotana amin’ny alàlan’ny asa, isan’izany ny mahakasika ireo olon-dehibe manao asa an-tery ; atsaraina ny fanangonana antontan’isa momba ny ezaka fampiharana ny lalàna hiadiana amin’ny fanararaotana olona, anisan’izany ny isan’ireo niharan’ny fanararaotana, ny isan’ny tranga nanaovana fanadihadiana sy fitoriana, ary ny isan’ny nahavanon-doza voaheloka.

FANENJEHANA ARAKA NY LALANA

Tsy nahatozo ezaka tsy tapaka ny Fitondrana amin’ny fampiharana ny Lalàna iadiana amin’ny fanararaotana olona.  Raha araka ny Lalàna 2007-038 dia roa taona an-tranomaizina hatramin’ny gadra mandram-pahafaty ny sazy ho an’ny fanararaotana amin’ny alàlan’ny fivarotan-tena, izay hita fa hentitra tsara miohatra amin’ny sazy miandry ny heloka bevava hafa toy ny fanolanana.  Nampivelatra kokoa io Lalàna tamin’ny 2007 io ny Lalàna 2014-040 izay maharakotra ny fanararaotana mamoa-fady, ny fanararaotana amin’ny alàlan’ny asa, ny asa an-tery, ny fanerena hangataka ary ny fanefana trosa tsy ara-drariny.  Ity Lalàna nasiam-panovana ity dia mirakitra sazy hentitra tsara ho an’ireo heloka fanararaotana, izay manomboka amin’ny roa hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina sy onitra iray hatramin’ny 10 Tapitrisa Ariary, ary henjana kokoa ny sazy raha ankizy tsy ampy taona no iharan’ny heloka satria manomboka amin’ny dimy hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina sy onitra roa hatramin’ny 10 tapitrisa Ariary. Nisy ireo atrikasa nokarakarain’ny tompon’adraikitry ny Fitsarana tany Nosy Be sy Toliary nandritra ny fotoana nanaovana ny tatitra mba hahalalan’ireo mpampihatra ny Lalàna misimisy kokoa momba ny Lalàna tamin’ny 2014 iadiana amin’ny fanararaotana olona.

Mbola sarotra hatrany ny fahazoana sy ny fanamarinana ny antontan’isa mikasika ny fitoriana sy ny fanamelohana satria tsy misy rafitra fifandaminana eo amin’ny Fitsarana sy ny mpampihatra ny Lalàna sady tsy arak any tokony ho izy ny firaketana.  Nandritra ny fotoana nananaovana ny tatitra dia nisy roa ireo tranga mety ho fanararaotana ary nisy enina ny tranga-na fanararaotana nohadihadihan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, izay nitotongana raha oharina amin’ny tranga-na fanararaotana mamoa-fady natao tamin’ny ankizy miisa 187 nanaovana fanadihadihana herintaona talohan’io.  Raha ny tatitry ny gazety dia olona 14 no voasambotra, ahiana ho mpanao fanararaotana amin’ny fandraisana mpiasa hila ravinahitra antsokosoko, ary nampiakarina fiitsarana avokoa izy ireo. Niakatra kely kosa io antontan’isa io raha oharina amin’ireo tranga miisa 11 voatatitra herintaona talohan’io.  Raha ny tatitry ny tompon’andraikitra dia nisy 10 ireo fanamelohana tamin’ny alàlan’ny Lalàna vaovao iadiana amin’ny fanararaotana olona nandritra ny taona 2015, raha enina izany tamin’ny taona 2014.  Tsy nahazoana tatitra avy amin’ny tompon’andraikitra mikasiaka fanadihadihana, na fitoriana na koa fanamelohana tompon’andraikim-panjakana mpiray tsikombakomba amina heloka fanararaotana olona ; nefa, tsapa ho mihanaka be ny kolikoly, ary miely ny fiahiahiana io tsikombakomba io.

FIAROVANA

Faran’izay kely ny fitozoana ezaka nataon’ny Governmanta amin’ny fiarovana ireo niharan’ny fanararaotana.  Mbola tsy manana rafitra ara-dalàna fitiliana mialoha ireo niharan’ny fanararaotana eny anivon’ny mponina marefo hatrany ny Fitondrana sady tsy manana rafitra fandraisana an-tànana azy ireo.  Nitohy ny fitantanan’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny raharaha sosialy ireo tambazotra miaro ny ankizy miisa 450 eo ho eo manerana ny nosy, iarahany miasa amina vondrona iraisampirenena iray. Miaro ny zaza amin’ny endrika fampijaliana sy fanararaotana samihafa no andraik’ireo tambazotra ireo sady miantoka ny fahazoan’ireo niharan’ny fanararaotana fitsaboana sy fanohanan-tsaina.  Hita anefa fa tsy tomombana ny rafitra fiarovana ananan’ireo tambazotra ireo matetika, tsy mitovy tantana ny fenitra fandraisana an-tànana amin’ny faritra samy hafa, ary tsy fantatra mazava raha nisy amin’ireo tambazotra ireo no nandray an-tànana ireo niharan’ny fanararaotana nandritra ny fotoana nanaovana ny tatitra.  Mbola nitohy ihany ny fitantanana sy famatsian’ny Fitondrana ny Centre Manjary Soa ao Antananarivo, izay nandray ankizy miisa 35 noesorina avy amin’ny asa an-tery sy fanararaotana amin’ny alàlan’ny fivarotan-tena.  Manome fiofanana hiasa na koa miantoka ny famerenana any amin’ny sekolim-panjakana io ivon-toerana io.  Tsy nisy tatitra nilaza ny fisiana olona niharan’ny fanararaotana nosamborina nohon’ny heloka natao vokatry ny fanararaotana nihatra taminy.  Tsy mbola nanana rafitra ara-dalàna ny Fitondrana nanome vahana ireo niharan’ny fanararaotana hanampy ny mpampihatra ny Lalàna amin’ny fanenjehana ireo nahavanon-doza ; nefa kosa, raha ny tatitry ny polisy, amin’ny ankapobeny dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanadihadihana ireo nahavanon-doza taminy hatrany ireo niharan’ny fanararaotana.  Araka ny voalazan’ny Lalàna tamin’ny 2014 iadiana amin’ny fanararaotana olona dia tokony hahazo onitra ho fanarenana sy ho an’ny fitsaboana ireo niharan’ny fanararaotana nefa mbola tsy nahitana fampiharana io andinin-dalana io nandritra ny roa taona misesy izao.

Nandritra ny taona 2015, dia nanampy teo amin’ny fampodiana olom-pirenena Malagasy miisa 60 izay niharan’ny fanararaotana tany Chine, Comores, Koweit sy Arabie Saoudite ary Thailand ny tompon’andraikitra tamin’ny alàlan’ny fifampiraharahana amin’ny any ivelany.  Tsy nisy ny fandraisana andraikitry ny Fitondrana amin’ny fifampiraharahana amin’ny Fitondrana vahiny mikasika ny fiarovana ireo mpiasa Malagasy niharan’ny fanararaotana sy ny fanonerana ny fahavoazana araka ny Lalàna ; na dia izany aza, dia tontosa ny fandrafetana drafitra voalohany fifanarahana mivantana amin’i Arabie Saoudite nandritra ny fotoana nanaovana ny tatitra.  Ny ankamaroan’ireo Malagasy niharan’ny fanararaotana rehefa tafaverina an-tanindrazana dia tanam-polo sady mila fanohanan-tsaina ary fitsaboana ; ny Fitondrana anefa tsy niantoka fanampiana vola na fandraisana an-tànana fa nandefa azy ireo tany amina vondrona tsy miankina amin’ny fanjakana sy vondrona iraisam-pirenana mba hahazo fikarakarana mivantana.

FISOROHANA

Kely dia kely ny ezaka nasehon’ny Fitondrana hisorohana ny fanararaotana olona.  Nandritra ny fotoana nanaovana ny tatitra dia tafapetraka ara-dalàna ny Biraom-panjakana misahana ny ady amin’ny fanararaotana olona, araka ny voafaritra ao anatin’ny drafitr’asa dimy taona, izay nanan-kery nanomboka ny fiandohan’ny taona 2015.  Na dia nivory im-pito aza ny mpikambana ao amin’io birao io nandritra ny fotoana nanaovana ny tatitra nametraka ny fizarana andraikitra sy ny fifampifehezana anatiny, dia tsy nisy dingana hafa noraisin’ny Fitondrana hampiharana ny drafitrasam-pirenena sady nahenany ho valo Tapitrisa Ariary monja ny tetibola ; nisy 39,95 Tapitrisa ariary ny teti-bola avy amin’ny Fitondrana nandritra ny taona lasa talohan’io.  Mbola nanan-kery ny fiatoan’ny fandefasana mpiasa Malagasy ho any amin’ny “Pays du Golfe” hatramin’ny taona 2013, nefa ninia nandika izany ireo orinasa tsy ara-dalàna ka nampandalo ireo mpiasa nalefany tany Comores, Kenya, Maorisy ary Afrika Atsimo.  Tamin’ny volana Oktobra 2015, dia nanasonia fiaraha-misa tamina vondrona iraisampirenena iray ny Fitondrana hananganana toeram-piofanana ho an’ireo mpila ravinahitra sy ny orinasa mpandefa mpiasa ; tsy fantatra kosa anefa ny dingana efa vita amin’io tetikasa io.

Ny volana Novambra 2015 dia napetraky ny Fitondrana ny sampandraharaha polisy manokana misahana ny fizahan-tany tany Ranohira Isalo hiaro ireo mponina marefo amin’ny fanararaotana amin’ny alàlan’ny fivarotan-tena mihatra amin’ny ankizy.  Tsy nataon’ny tompon’andraikitra kosa anefa ny fanaparitahana ny fitsipi-pitondran-tena hiadiana amin’ny fanararaotana atao amin’ny ankizy eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany tany Nosy Be sy Toliary nandritra ny roa taona misesy izao.  Tafapetraka tany amina faritra efatra vaovao anefa izany vokatry ny fanohanan’ny vondrona iraisampirenena.  Na dia mbola niasa aza ny laharana maimaim-poana sahanin’ny fanjakana handraisana ireo tranga-na fanararaotana ankizy dia tsy nisy antontan’isa mirakitra ny antso voaray mandra-pahatapitry ny fotoana nanaovana ny tatitra.  Nisy ny tetikasa fanentanana hiady amin’ny fanararaotana olona nampahafantarin’ny Praiminisitra sy notantantanina sy novatsiana vondrona iraisampirenena vola.  Ny minisiteran’ny fitsarana ihany koa dia nikarakara fandaharana roa tamin’ny onjam-peo hampahafantarana ny besinimaro momba ny Lalàna tamin’ny 2014 iadiana amin’ny fanraraotana olona.  Nandritra ny fotoana nanaovana ny tatitra, dia nisy ny fiofanana nomena ireo mpirotsaka amin’ny fanampiana sosialy, izay tsy fantatra ny isany, amin’ny fampahafantarana sy ny fisorohana ny fanararaotana olona mandritra ny loza voajanahary, nokarakarain’ny tomponandraikitra Malagasy ary novatsian’ny vondrona iraisampirenena vola.  Tsy nisy ezaka misongadina nataon’ny Fitondrana nandritra ny fotoana nanaovana ny tatitra hampihenana ny fanjifana ny asa an-tery.  Nomen’ny Fitondrana toromarika ankapobeny ireo tompon’andraikitra voatendry hiasa any ivelany amin’ny fisorohana ny fanararaotana olona araka ny Lalàna manan-kery any amin’ny toerana naha-voatendry azy ireo.