2017 Independence Day Celebration

Kabarin’ny Masoivoho Amerikana Robert Yamate
Fankalazana ny fetim-pirenena Amerikana
Ambaranjana, Antananarivo
30 Jolay 2017

Misaotra betsaka antsika rehetra tonga manotrona anay anio, hiara-mankalaza ny tsingerin-taona faha-241 nahazoan’i Etazonia ny Fahaleovan-tenany, sy ny faha-150 nisian’ny fifandraisana teo amin’i Etazonia sy Madagasikara.
Tamin’ny taona 1866 tokoa mantsy, izany hoe 150 taona lasa izay, ny Filoha Andrew Johnson no naniraka ny solotena voalohany avy amin’ny Fitondrana Amerikana, Atoa John Finkelmeier, hifampiraharaha momba ny fifanekena teo amin’ny Mpanjakavavy Rasoherina, izay nitondra teto Madagasikara tamin’izany fotoana.
Raha nandefa tatitra nankany Washington Atoa Finkelmeier dia nilaza fa mponina tena malemy fanahy no hitany taty Madagasikara, tsara tarehy ireo tanàna manamorona ny ranomasina, ary manana harena voajanahary maro ity nosy ity, ka afaka manantena fandrosoana misongadina. Zendana ny sainy nahita ny halalaina sy hasaro-padin’ireo fomba amam-panao Malagasy, ary ny hafanam-po sy fahavitrihan’ny olona hitany tao Toamasina – ary tsikariny ihany koa ny halafo divin’ny trano sy tany tao amin’io tanàna amoron-tsiraka miroborobo io. Azo fintinina amin’ity fehezanteny nosintonina tao amin’ny iray tamin’ireo tatitra nalefany voalohany ny zavatra ankapobeny tsapany tamin’izany. Hoy indrindra izy: “Tena mihoatra be ny zavatra noeritreretiko ny zavatra hitako aty Madagasikara.” Fantatro fa maro amintsika ankehitriny koa no mbola zendana ka milaza fehezanteny toa izany, toy no hoe “Tena tsara lavitra noho ny zavatra noeritreretiko mihitsy kay ny aty Madagasikara aty.”
Samy niaina tao anatin’ny vanim-potoana nahitana fiovana lehibe i Etazonia sy Madagasikara tamin’ny fotoana nanaovana sonia ny fifanekena voalohany indrindra. Etazonia ohatra vao avy namarana ady an-trano, ary vao niezaka niarina taorian’ny namoizany ny iray tamin’ireo Filoha Amerikana niavaka indrindra , dia ny Filoha Abraham Lincoln. Teo ireo andevo fahiny izay vao nanomboka niaina ho olom-pirenena afaka, ka nitarika fiovana goavana teo amin’ny fiainana ara-tsosialy sy ara-politika teo amin’ny fiaraha-monina. Teto Madagasikara kosa, telo taona izay no nandray ny fitondrana ny Mpanjakavavy Rasoherina ary, rehefa niamboho ny vadiny, dia nanandrana nanavao ny endriky ny fifandraisan’ny nosy tamin’i Eoropa izy, mba ho voahaja ao anatin’izany ny fiandrianan’i Madagasikara.
Na dia mbola tsy nazava tsara aza ny làlan-kizorana ho an’ny firnena roa tonta tany amin’izany taona 1867 izany, dia nanapa-kevitra ny hanao sonia ilay fifanekena i Etazonia sy Madagasikara ary nahita fomba hamitranana fiaraha-misalahy – dia fifandraisana ara-pirahalahiana sy ahitana fifanoloran-tànana ka samy hahazo tombony amin’izany ny mponina any amin’ny firenena roa tonta, tamin’izany fotoana ka mandraka ankehitriny.
Amin’izao fotoana anohizan’i Madagasikara ny fametrahana sy fanamafisana orina ny demokrasia marin-toerana eo aminy izao, dia hijoro ho mpiara-mientana aminy hatrany i Etazonia, tahaka izay nataony handritra izay 150 taona izay. Hanohy hiasa amin’ny alàlan’ny USAID hatrany izahay ka hamatsy vola ireo ezaka hanatsarana ny fitsaboana ara-pahasalamana, ny fiompiana sy fambolena ary ny fanjarian-tsakafo. Tamin’ity taona ity ohatra no natomboka niaraka tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fandaharana vaovao miteti-bidy 33 tapitrisa dolara ho an’ny fahasalamana isan-tanàna antsoina hoe Mahefa Miaraka, ary natao hanatsarana ny fahasalaman’ny vehivavy sy ankizy Malagasy an- tapitrisa dolarany. Ary vao tamin’ny herinandro lasa izahay no nanolotra 33 tapitrisa dolara ho an’ny fandaharana iray mikasika ny rano, fanadiovana sy fidiovana, izay voarafitra taorian’ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Ministeran’ny Rano, ny Angovo ary ny Solitany.
Hotohizanay ny fanohanana ny mpanakanto toa an’i Kenny Wesley mba hametrahana tetezana ara-kolotsaina eo amin’ny mponina roa tonta. Hotohizanay koa ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tafika roa tonta, amin’ny fanomezana fiofanana ny ao amin’ny tafika, amin’ny fanatontosana fanazaran-tena miaraka ary amin’nyfanolorana fitaovana toy ny sambo haingam-pandeha Metal Shark Patrol Boat tany am-piandohan’ny taona. Hotohizanay ny fanohanana ireo mponina mikasa hianatra sy hifehy ny teny anglisy amin’ny alàlan’ny vatsim-pianarana, ny fandaharana fifanakalozana, ny mpiahy ireo mpianatra teny Anglisy ary indrindra amin’ny alàlan’ny asan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Corps de la Paix, ary efa manakaiky ny 150 ny isan’izy ireo mifanolo-tànana amin’ny Malagasy mpianatra, tantsaha sy mpaisan’ny fahasalamana ka sady mandrafitra fiaraha-miasa sy firahalahiana eo amin’ny kolo-tsaina roa tonta no mampiroborobo ny fanabeazana, ny fanjarian-tsakafo ary ny fahasalamana tomombana.
Anisan’ny itovian’ny Amerikana sy ny Malagasy ny saina tia mamorona sy manangana orinasa, ary tiantsika ny mandray an-tànan-droa izay fiovana sy fahasamihafana eo amintsika, satria haintsika ny mampifanaraka ny fiainantsika hifanandrify amin’izany. Hita miharihary izany raha jerena ny vokatry ny fampivoarana ny tanàn-dehibe amin’iero mpivarotra madinika manamorona ny arabe eran’Antananarivo sy ireo tanàn-dehibe hafa eto amin’ny nosy. Hitako ihany koa izany eo amin’ireo nandray anjara tamin’ny fandaharana Mandela sy ny YALI, izay manana hevitra tsy tambo isaina hanafaniganana ny fampandrosoana ara-toe-karena sy fivoarana eto amin’ny firenena. Hitako ihany koa izany amin’ny sehatra ara-panjakana sy ny tsy miankina, satria na ny tenako na ireo mpiara-miasa amiko dia miara-mientana amin’ireo tan-tsoroka avy amin’ny fitondrana sy ireo fikambanana tsy miankina handrafitra vahaolana vaovao ho an’ireo olana misy eto Madagasikara, toy ny vokatry ny fikorontanan’ny toetr’andro, ny hain-tany tsy mety tapitra any Atsimo ary ny rivo-doza mandrava ny moron-tsiraka isan-taona.
Tsy isalasalana fa samy hiatrika karazam-piovana maro ny firenentsika roa tonta ato anatin’ny 150 taona vaovao indray eo amin’ny fifandraisantsika. Saingy mahatoky tanteraka ny tenako fa araka ny hivelaran’i Madagasikara ho tonga firenena mianoka kokoa anatin’ny fahombiazana sy demokrasia mafy orina kokoa ; dia azo antoka fa vao mainka hihamafy orina ny fiaraha-mientana eo amintsika, mba ho fanasoavana ny firenentsika roa tonta.
Tamin’ny volana Novambra ohatra i Etazonia no nanatontosa fifidianana ny filoha Amerikana faha-45, fifidianana izay noheverina ho manan-tantrara satria hahalany ny Filoha Amerikana vehivavy voalohany. Tsy izay anefa no niseho fa sambany teo amin’ny tantara no hoe lany ho Filoha ny olona iray tsy mbola nanana traikefa teo amin’ny fitondrana, sady tsy mbola olom-boafidy no nitari-tafika; nefa kosa andrareznia teo amin’ny fandraharahana any Etazonia no sady filamatra ho an’ireo Amerikana maniry hahomby amin’ny famoronana orinasa manokana. Maro ireo manam-pahaizana manokana sy mpandalina antontan’isa no tsy nanampo ny fandresen’ilay nanjary antsoina hoe Filoha Donald Trump. Marina fa diso fanantenana ireo izay nanohana candida hafa, fa izahay rehetra kosa, amin’ny maha-Amerikana iray firenena anay, dia nanaiky izay voka-pifidianana izay.
Hatramin’ny nandraisan’ny Filoha Trump sy ny mpiara-miasa aminy ny fitondrana àry, dia niezaka izy hitady marimaritra iraisana eo amin’ireo Demokraty sy ny Repoblikana mpanao lalàna mba hahafahany mampihatra ireo politika heveriny fa hahasoa indrindra ny firenena sy hanatanterahany ny fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra, dia ny hametraka Etazonia matanjaka sy voaaro kokoa – izay avy eo no hitarika fahamarinan-toerana mafy orina kokoa ho an’izao tontolo izao.
Marina fa niharihary tao anatin’izay fifidianana natrehinay izay ny fahasamihafana misy eo amin’ireo vondron’olona samihafa ao Etazonia sy ireo fanamby atrehinay Amerikana rehetra, dia iarahanay manaiky fa misy ireo fahasamihafana ireo, ary izahay Amerikana rehetra hatrany no hiaraka hiatrika an’ireo fanamby ireo.
Ekeko tsy am-pihambahambana fa mbola misy fivakisana lalina any Etazonia eo amin’ny sehatra politika, ary marina fa mbola maro ireo Amerikana diso fanantenana amin’ny vokatr’ilay fifidianana Filoham-pirena tamin’ny taon-dasa, saingy ekenay rehetra fa masina sy tsy azo dikaina ny lamina fanatontosana izany fitidianana izany. Nandresy izay tafiotra rehetra nosedrainy hatramin’ny nahazoanay fahaleovan-tena tamin’ny taona 1776 izany lamina ara-pifidianana izany, ary efa zò voalaza ao amin’ny Lalàm-panorenana mihitsy– zòn’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ary ho an’ny vahoaka.
Koa amin’ny taona 2018, raha mantontosana ny fifidianana Filoham-pirenena sy solom-bavam-bahoaka i Madagasikara, dia tsarovy ny ohatra vao haingana tany Etazonia, niatrehanay fifidianana anisan’ny nanahirana sy nampifanditra, nefa kosa nanajanay hatramin’ny farany ny lamina napetraka momba ny fifidianana. Na hanao ahoana hasarotana sy fifandirana – ataovy izay hananana fifidianana malalaka, ara-drariny, misokatra, mangarahara ary andraisan’ny rehetra anjara ho fitandroana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy, aleo ny vahoaka Malagasy no ho tompon’ny teny farany, ary aoka ny vahoaka Malagasy ho tompon’andraikitra amin’izay ho voka-pifidianana eo.
Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy, ho ela velona anie i Madagasikara ary ho ela velona anie i Etazonia.