Madagascar Trafficking in Persons Report 2020 (Mlg)

MADAGASIKARA (SOKAJY 2)

Ny Fitondrana Malagasy dia tsy mahafeno tanteraka ireo fenitra farafahakeliny ho an’ny famongorana ny famarinana ; na izany aza anefa, dia manao ezaka goavana hanatrarana izany tanjona izany izy. Nanao ezaka ny fitondram-panjakana raha mitaha amin’ny tatitra teo aloha ka mahatonga azy hijanona ao amin’ny Sokajy 2. Ao anatin’ny ezaka natao ny nanamelohana ireo mpamarina olona ; voalohany ny nanaovana izany hatramin’ny taona 2016. Mbola ao anatin’ny ezaka vita ny famatsiana vola ny fampodiana ireo olona niharan’ny famarinana sy ny fampitomboana ny fanentanana ny olona mikasika ny famarinana olona. Nametraka laharan-tariby vaovao hanaovana tatitra ireo tranga famarinana olona ny Birao Nasionaly miady amin’ny Famarinana Olona, ary nanendry mpiasa handray ireo antso miditra. Misy ny ivon-toerana vaovao ao Antananarivo izay natsangan’ny fanjakana sy vondrona iraisampirenena iray, natokana indrindra ho an’ireo olona niharan’ny herisetra noho ny maha lahy na maha vavy, tafiditra anatin’izany ireo niharan’ny famarinana. Na izany aza anefa dia tsy nahafeno ny fenitra farafahakeliny amin’ny sehatra maro ny fanjakana. Vitsy kokoa ny tranga famarinana nohadihadian’ny fanjakana, vitsy kokoa ny olona niharan’izany hitan’izy ireo ary vitsy kokoa ny olona amin’ireo olona niharan’ny famarinana no nahazo fiahiana nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra. Na dia nisy hatrany aza ny tatitra nilaza fa nisy tompon’andraikitra niray tsikombakomba nandritra ny taona, dia tsy nisy ny manam-pahefana voatazona tamin’izany, ary tsy nisy ny fanadihadiana natao mikasika ny tatitra mikasika manam-pahefana nanamora ny famarinana mamoafady zaza tsy ampy taona sy nampangina ireo raharaha mahakasika famarinana olona. Tsy ampy ireo ezaka hamongorana ny endrika famarinana miseho eo an-toerana, ao anatin’izany ny fanandevozana amin’ny asa an-trano , ny fanerena hangataka ary famarinana mamoafady ny zaza.

TOLO-KEVITRA HO AN’I MADAGASIKARA
Manampy ny ezaka hanadihadiana sy hiampangana ireo ahiana ho nahavanona endrika famarinana olona miseho eo an-toerana, anisan’izany ireo manam-pahefana niray tsikombakomba.
Manasazy ireo olona voamarina fa meloka amin’ny sazy sahaza azy, ao anatin’izany ny fampidirana am-ponja mandritra ny fotoana maharitra.
Mampiditra anaty rafi-pitondrana ny fanofanana ny tompon’andraikitra mivantana mikasika ny fanadihadiana sy ny fampiasana torolalana momba ny famantarana ireo niharan’ny famarinana sy ny fandefasana azy ireo any amin’ny invon-toerana mpikarakara tandrify azy.
Mamantatra mialoha sy amin’ny tranga rehetra ireo niharan’ny famarinana ary mandefa azy ireo any amin’ny ivon-toerana natokana hikarakarana azy, indrindra ireo niharan’ny endrika famarinana miseho eo an-toerana, ao anatin’izany ny asa an-trano, ny fanerena hangataka sy ny famarinana mamoafady ny zaza.
Manao fanitsiana ny lalàna navoaka tamin’ny taona 2014 iadiana amin’ny famarinana olona mba hitovy tantana amin’ny sazy azon’ny olona nanao fanolanana sy fakana an-keriny ny sazy azon’ireo olona voampanga amin’ny famarinana mamoafady olon-dehibe.
Mamolavola, mamoaka ary mamatsy vola araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana paik’adim-pirenena handrindrana ny ezaka atao manerana ny Nosy iadiana amin’ny endrika famarinana rehetra.
Mametraka sy mampihatra fitsipika hentitra hanaraha-maso ireo orinasa mpanome asa, ary manatsara ny fampiharana ny lalàna isan’izany ny fanenjehana araka ny lalàna ireo olona voarohirohy anaty fandraisana mpiasa tsy ara-dalana.
Manamafy ny fiarovana ireo mpiasa mila ravinahitra amin’ny fandrarana ny fampandoavana azy ireo saran’ny fandraisana miasa, famaritana karama farany ambany, fiofanana mialoha ny fiaingana , ny fifanekena manaraka ny fenitra eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa, rafitra ahafahan’ny mpiasa tafody mametraka fitarainana ary lisitra azon’ny olona rehetra jerena mirakitra ny anaran’ireo mpampiasa mpanararaotra.
Manatsara ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpampihatra ny lalàna sy ny mpampanoa lalàna/mpitsara mpanao fanadihadiana amin’ny alalan’ny fikaonan-doha hiresahana mikasika ny fandehan-draharaha ary koa amin’ny alalan’ny fanokafana fanadihadiana tarihin’ny mpampanoa lalana.
Manatsara ny rafitra fanaovana ny kara-panondrom-pirenena anisan’izany ny fametrahana bankin’antontan’isa voaaro amin’ny hosoka mba hisorohana ny famarinana mamoafady ny zaza izay hamorain’ny famokarana kara-panondro sandoka.
Mampiasa ny firaketana iraisana sy ny fitaovana fanaovana tatitra mikasika ny famarinana olona hanatsarana ny fanangonam-baovao ka tokony hiavaka mazava amin’ny heloka hafa ny famarinana, ho hita ao ny isan’ny olona niharan’ny heloka, ny isan’ireo tranga nanaovana fanadihadiana sy nentina teny anivon’ny fitsarana, ary ny isan’ny fanamelohana.
Mampitombo ny ezaka fanentanana ny mponina mikasika ny endrika famarinana olona rehetra, ao anatin’izany ny endrika famarinana olona miseho eo an-toerana.
Miara-miasa amin’ny governemanta any amin’ireo firenena handehanana mba hiarovana ireo mpiasa Malagasy mila ravinahitra sy mba hahafahana miara-miasa raha sendra misy ny trangana fanararaotana amin’ny alalan’ny fifanarahana mikasika ny asa eo amin’ny firenena roa tonta.

FANENJEHANA ARAKA NY LALÀNA

Nanao ezaka maro ny fanjakana nampihatra ny lalàna iadiana amin’ny famarinana olona. Sambany ny fanjakana, hatramin’ny taona 2016, no nanameloka mpamarina olona saingy mbola tsy nanadihady ireo tatitra firaisana tsikombakomba nataon’ireo manam-pahefana amin’ny resaka famarinana olona izay mbola nitohy nandritra ny fe-potoana nanaovana tatitra. Manameloka ny famarinana olona mamoafady ny lalàna laharana faha 2014-040, ary faritany ho fanagadrana 2 hatramin’ny 5 taona miaraka amin’ny onitra mitentina 1 hatramin’ny 10 tapitrisa ariary (280 – 2 760 dolara) ny sazy omena raha olon-dehibe ilay niharan’ny heloka ary 5 hatramin’ny 10 taona kosa ny fanagadrana miaraka amin’ny onitra mitentina 2 hatramin’ny 20 tapitrisa ariary (550 – 5 510 dolara) raha zaza tsy ampy taona ilay niharan’ny heloka. Azo lazaina fa hentitra tokoa ireo sazy ireo. Ho an’ny famarinana mamoafady ny zaza indray dia sazy sahala amin’ny omena ireo nanao heloka bevava toy ny fanolanana no omena azy. Ho an’ny famarinana mamoafady ampiharina amin’nyolon-dehibe kosa anefa dia tsy mahatoraka ny sazy omena ny olona nanao heloka bevava hafa ny sazy mihatra.

Sarotra ny fahazoana sy ny fanamarinana antontan’isa nasionaly mikasika ny fanenjehana araka ny lalàna sy ny fanamelohana, ary tsy nanana firaketana ahitana ireo heloka mikasika ny famarinana olona ny fanjakana. Nanambara ny fanjakana fa nanokatra fanadihadiana tranga famarinana olona izay mety niahiahiana olona 16 anaty raharaha miisa 16. Raha atao ny fampitahana dia olona ahiahiana 74 tamina raharaha miisa 34 no nanaovana fanadihadiana nandritra ny fotoana nanaovana ny tatitra teo aloha. Nilaza ny fitondrana fa nanokatra fitsarana raharaha iray izay nahitana olona 7 voarohirohy ho nitondra vehivavy Malagasy maromaro nankany Sina hampiharana fanararaotana. 56 kosa ny olona voalaza fa nanao famarinana olona notsaraina tao anatin’ny raharaha miisa 20 ny taona 2018. Tsy nisy tatitra voaray avy amin’ny fanjakana mikasika raharaha nanaovana fanadihadiana ka nampiakarina fitsarana sady tsy nisy ny fanampim-baovao mikasika raharaha mbola tsy voavaha. Ny Fitsarana miady amin’ny Kolikoly na ny PAC, izay misahana koa ny resaka famarinana olona manana endrika iraisampirenena na misy idirana tambazotrana mpanao heloka na fampiasana antontan-taratasy hosoka, no nitsara ny raharaha tamin’ny volana Oktobra 2019 ary nanameloka olona 6 tamin’ireo 7 voarohirohy ho mpanao famarinana olona, raha tsy nisy fanamelohana mihitsy hatramin’ny taona 2016. Nanameloka olona 5 higadra 5 taona sy olona iray higadra 3 taona ny PAC. Tsy ampy ny ezaka tamin’ny fanadihadiana ny endrika famarinana anatiny, isan’izany ny asa an-trano, ny fanerena hangataka ary ny famarinana mamoafady ny zaza raha mitaha amin’ny haben’ny olana, ary mbola nafangaron’ny manam-pahefana hatrany matetika ny famarinana olona sy ny fanondranana olona an-tsokosoko.

Tsy nahazoana tatitra ny fitondrana mikasika fanadihadiana, fitsarana na fanamelohana manam-pahefahana miray tsikombakomba amin’ny famarinana olona, nefa dia mbola tena mijanona ho olana goavana sy manahirana ny kolikoly sy ny firaisan’ny manam-pahefana tsikombakomba ofisialy amin’ny famarinana olona, ary nanembatsembana ny asan’ny mpampihatra lalàna. Ankoatra izany, ilay fepetra izay milaza fa tsy azo atao ny misambotra manam-pahefana raha tsy misy fahazoan-dalana avy amin’ny lehibeny dia tsy nahafahana nitazona ireo manam-pahefana mpiray tsikombakomba amin’ny amin’ny heloka famarinana olona. Araka ny tatitra azo avy amin’ireo mpandinika dia nisy tompon’andraiki-panjakana sasany mbola nanampy hatrany ireo Malagasy hahazoany taratasy sandoka ahafahana mivoaka ny firenena na dia teo aza ny lalàna mandrara ny fivoahana ny firenena tamin’ny 2013. Nilaza ihany koa ireo mpandinika fa misy tambazotrana mpiasam-panjakana manohy manome kara-panondro sandoka hanamorana ny famarinana mamoafady ny zaza, indrindra any amin’ireo faritra amoron-tsiraka toa an’i Nosy Be, saingy mbola tsy nilaza ho nanokatra fanadihadiana mahakasika izany ny fitondrana.

Nikarakara sy nitarika fiofanana miisa 6 tamina tanana 6 ny fitondrana, fiofanana izay nahazo famatsiam-bola avy amina vondrona iraisampirenena iray ka nahafahana nanofana manam-pahefana mpampihatra lalàna, zandary, ary mpitsara 60 mikasika ny lalàna mifehy ny famarinana olona. Nikarakara sy nitarika fiofanana iray ho an’ireo mpianatra ao amin’ny sekolin’ny polisim-pirenena ao Antananarivo ihany koa ny fitondrana tamin’ny famatsiambola avy amina vondrona iraisampirenena iray. Nahitana fiofanana fototra mikasika ny famarinana olona izany. Nahitana fihenana izany raha ampitahaina amin’ny fe-potoana nanaovana ny tatitra teo aloha satria dia nanofana manam-pahefana miisa 264 mikasika ny fanadihadiana mifantoka amin’ireo niharan’ny heloka sy ny rafitra famantarana sy fanomezana torolalala ireo olona niharan’ny famarinana ny fanjakana, niaraka tamin’ny famatsiam-bola avy amina vondrona iraisam-pirenena vitsivisty. Na dia eo aza ireo ezaka fanofanana ireo dia mbola tsy tafiditra anatin’ny rafi-pitondrana ny fiofanana mikasika ny ady amin’ny famarinana olona hany ka tsy nahafantatra mazava ny atao hoe famarinana olona ireo polisy sasany, ireo tompon’andraikitry ny sisintany, ireo mpampanoa lalàna ary ireo mpitsara ka nanembatsembana ny ezaka fampiharana ny lalàna sy famantarana ireo niharan’ny famarinana izany. Tsy araka ny tokony ho izy ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana eo amin’ny mpampanoa lalana sy ny polisy ka nanakana ny fivoaran’ny raharaha izany. Ny volana Desambra 2019 dia nisy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana tamin’ny vondrona iraisampirenena ka nankatoavana ny fifanarahana iray teo amin’ny fitsarana, ny polisim-pirenena ary ny zandarimariam-pirenena nametrahana fomba fiasa iraisana hisian’ny fandrindrana mahomby ny raharaha mikasika famarinana olona saingy mbola tsy voasonian’ireo sampan-draharaha isan-toko izany fifanarahana izany ary tsy misy ny tatitra momba ny fampiharana azy nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra. Matetika no nahazo baiko avy any ambony ireo mpitsara hamotsotra ireo mpanao heloka mamoafady izay mety ho nahavanona famarinana ny sasany. Mazana dia teratany vahiny izy ireo saingy misy Malagasy koa. Noho ny halavan’ny raharaham-pitsarana sy ny tsy fampiharana ny fepetra fiarovana ny niharan’ny heloka mandritra ny dingana fitsarana dia matetika ireo olona niharan’ny heloka sy ny fianakaviany no nisafidy ny hamaha olana, ao anatin’izany ny heloka famarinana olona, amin’ny alàlan’ny fanelanelanana amin’ny alalan’ny fianakaviana any amin’ny toerana misy azy. Matetika dia tsy mazoto hitory ireo niharan’ny heloka noho ny tahotra ny valifaty. Vokatry ny fanampian’ny vondrona iraisampirenena iray dia nahazo fitaovana ny fitondrana nahafahana nanangona antontan’isa sy nanao tatitra mikasika ny famarinana olona nanomboka ny taona 2016. Tsy mbola nampiasa io fitaovana io mihitsy anefa ny fitondrana.

FIAROVANA
Nanohy ireo ezaka ho fiarovana ny olona niharan’ny heloka ny fanjakana. Noho ny tsy fisian’ny rafitra voarindra hanangonana antotan’isa manerana ny Nosy dia tsy nahazoana antontan’isa feno ny fanjakana. Nilaza ny fitondrana fa nisy olona miisa 111 farafahakeliny fantatra fa niharan’ny famarinana nandritra ny fe-potoana fanaovana tatitra raha 85 izany niampy olona 64 natahorana iharan’ny famarinana nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra teo aloha. Niantoka ny saram-piaramanidina sy ny fitaterana anatiny ny fanjakana nanampiana tamin’ny fampodiana an’ireo vehivavy miisa 68 avy any Koweït ho fanohizana ezaka iray efa natomboka teo aloha raha 177 no isan’ireo nampodiana nandritra ny fe-potoana nanaovana tatitra teo aloha. Voalaza fa nanampy tamin’ny fomba maro samihafa olona 103 niharan’ny famarinana ny fanjakana raha 221 izany nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra teo aloha. Araka ny nambaran’ireo fikambanana tsy miankina sy vondrona iraisampirenena dia nahita sy nanampy olona miisa 1 808 lasibatry ny famarinana izy ireo farafahakeliny ka nanome fikarakarana samihafa toy ny fitsaboana, fanampiana azy ireo hiverina any amin’ny fiarahamonina ary ny fametrahana azy ireo tany amin’ny trano fandraisam-bahiny. Tsy nanome famatsiam-bola na fanampiana mivantana ho an’ireo karazana fikarakarana ireo ny fitondrana.

Tsy nanana fomba fiasa iraisana toy ny tamin’ny taon-dasa ny fanjakana hamantarana mialoha ireo mety niharan’ny famarinana sy handefasana azy ireo any amin’ny mpandray an-tanana azy izay tokony miparitaka sy mihatra manerana ny Nosy ; fomba fiasa samy hafa teny anivon’ny ministera vitsivitsy kosa no nisy. Ireo fomba fiasa ireo dia tsy nahitana fomba fitsirihana mialoha ireo vondrona marefo ahafantarana raha sendra nisy niharan’ny famarinana izy ireo, ary tsy nanome ny lisitr’ireo fikambanana mpandray an-tanana azo andefasana azy ireo. Ankoatr’izay dia tsy naparitaky ny fanjakana io fomba fiasa io ary voafetra ny fampiharana izany ivelan’Antananarivo. Nanohy nandrindra tambazotra miaro ny zaza miisa 700 manerana ny Nosy ny Ministeran’ny Mponina niaraka tamin’ny vondrona iraisampirenena iray, mba hiarovana ny zaza amin’ny endrika herisetra sy fanararaotana maro samihafa ary hiantohana fa hahazo fitsaboana sy fanohanan-tsaina ireo izay niharan’ny heloka, ao anatin’izany ny famarinana. Noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana anefa dia ny 400 amin’ireo tambazotra mpiaro ny ankizy ihany no afaka manome fikarakarana fototra amin’ny alalan’ireo hopitaly sy tobim-pahasalamana tantanin’ny fanjakana ary ny ankamaroan’ireo tambazotra dia nandefa ireo niharan’ny fanararaotana tany amin’ireo fikambanana tsy miankina sy ireo vondrona iraisam-pirenena mba hahazo fikarakarana fanampiny. Tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ireo tambazotra mpiaro ny zaza ireo dia nisy vondrona iraisampirenena iray nandray an-tanana ankizy 1 666 (860 vavy ary 806 lahy), nahitana zaza niharan’ny fanararaotana mamoafady, sy ny endrika ratsy indrindra isehoan’ny fampiasana zaza, izay samy nahitana endrika famarinana ny zaza.

Niaraka tamin’ny fanampian’ny vondrona iraisampirenena iray dia nandray olona niharan’ny famarinana miisa 12 farafahakeliny nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra ny Centre Mitsinjo , ivon-toerana tantanin’ny fanjakana fandraisana vonjimaika ireo olon-dehibe niharan’ny famarinana nampodiana. Efatra ireo hopitalim-panjakana ahitana ivon-toerana mandray an-tanana ireo ankizy niharan’ny fanararaotana maro isan-karazany, ao anatin’izany ny famarinana mamoafady. Ireo ivon-toerana ao Antananarivo, Toamasina, Mahajanga ary Nosy Be manome fitsaboana, fanohanan-tsaina ary fahafahana manatona mpitandro filaminana sy mpiasa sosialy saingy tsy nisy ny tatitra avy amin’ny fanjakana nahafantarana hoe firy ireo niharan’ny heloka noraisin’ireo ivon-toerana ireo an-tanana. Nanohy ny fitantanana ny rafitra fampiantranoana ireo ankizy niharan’ny fanararaotana ao Nosy Be izay niarahan’ny fanararaotana ny Minisiteran’ny Mponina niaraka tamina vondrona iraisam-pirenena iray. Tsy nisy ny antontan’isa navoakan’ny fanjakana ny amin’ny isan’ireo fianakaviana afaka mandray ankizy na ireo ankizy noraisina, raha toa ka 10 ireo fianakaviana nandray anjara ary 18 ireo ankizy noraisina nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra teo aloha. Nanohy nitantana sy namatsy vola ny Centre Manjary Soa ao Antananarivo ny fanjakana ka nandray ankizy 35 niharan’ny asa an-terivozona sy famarinana mamoafady io ivon-toerana io. Manolotra fiofanana hiasa sy mamerina indray ireo ankizy any amin’ny rafi-panabeazam-panjakana io ivon-toerana io. Ny tananan’Antananarivo dia nanohy nitantana ivon-toerana fandraisana vonjy taitra ho an’ireo zaza iharan’ny herisetra, ao anatin’izany ny asa an-trano sy ny fanerena hangataka izay mazàna ny sampan-draharana ao amin’ny Polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona no nandefa azy ireo. Niaraka tamin’ny fanampian’ny vondrona iraisam-pirenena iray dia ny fiadidiana ny tanàna no nanome ny sakafo, ny toerana honenana, fanohanan-tsaina sy fitsaboana ary fanabeazana. Ny volana Novambra 2019 dia nanokatra ivon-toerana vaovao ao Antananarivo ny fanjakana izay niarahany niasa tamina vondrona iraisampirenena iray, ivon-toerana natao handraisana ireo izay niharan’ny herisetra noho ny maha-lahy na maha-vavy, ao anatin’izany ny famarinana olona. Nanome fanohanan-tsaina sy fitsaboana ary fanampiana amin’ny resaka fitoriana sy fitsarana maimaimpoana io ivon-toerana io. Tsy namoaka ny isan’ireo olona niharan’ny famarinana noraisina an-tanana nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra ny fanjakana.

Nampahafantatra mandrakariva ny Minisiteran’ny Mponina ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny rehefa misy ny fampodiana ireo niharan’ny famarinana, avy eo ny Minisiteran’ny Mponina dia mifandray amin’izy ireo manontany raha mila fandraisana an-tanana, saingy araka ny tatitra dia misy tsy mazoto hiara-hiasa amin’ny fanjakana ny sasany amin’ireo niharan’ny famarinana. Ny lalana nivoaka ny taona 2014 iadiana amin’ny famarinana olona dia manery ny manam-pahefana hijery vahaolana hafa araka ny lalàna ho an’ireo teratany vahiny niharan’ny famarinana ka matahotra ny hisedra olana na fanasaziana rehefa tonga any amin’ny firenena niaviany, saingy mbola tsy nitatitra ho efa nanampy olona toy izany ny fanjakana nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra. Nisy tatitra tsindraindray nilaza fa nisy olona niharan’ny famarinana voasambotra na nosazian’ny fitondrana nohon’ny heloka noteren’ireo nanararaotra azy natao. Misambotra tovovavy tsy ampy taona noho ny fivarotan-tena ireo polisy indraindray ary tsy manadihady akory ny mety hisian’ny endrika famarinana. Indraindray tazomin’izy ireo vonjimaika ao amin’ny biraon’ny polisy ireo izay atahorana iharan’ny famarianana amin’ny alalan’ny asa any ivelany satria tsy misy toerana hafa hampiantranoana azy ireo. Hisorohana ny valifaty mety hataon’ireo mpamarina dia azo atao tsy ho azon’ny rehetra atrehana ny fitsarana raharaha mikasika famarinana olona mba hitazomana ho tsiambaratelo sy fanajana ny fiainana manokan’ny niharan’ny heloka na ny vavolombelona. Tsy nilaza ho nanatanteraka izany anefa ny fanjakana nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra. Raha manan-jo hahazo onitra ny niharan’ny heloka araka ny voalazan’ny lalana nivoaka ny taona 2014 iadiana amin’ny famarinana olona dia mbola tsy nampihatra izany ny fanjakana tao anatin’ny 6 taona nifandimby izay.

FISOROHANA
Nanohy ny ezaka hisorohana ny famariana olona ny fanjakana. Nanokanana teti-bola mitentina 410,9 tapitrisa ariary ($113.280) ny Birao Nasionaly miady amin’ny Famarinana Olona na ny BNLTEH ho an’ny fitantanan-draharaha ary 90 tapitrisa ariary kosa ($24.810) natokana ho an’ireo tetikasa hiadiana amin’ny famarinana olona ny taona 2020. Nahitana fiakarana izany raha oharina amin‘ny 370 tapitrisa natao hitantanan-draharaha sy 90 tapitrisa natao ho an‘ny teitakasa tamin’ny taona 2019. Ny BNLTEH dia nitarika ny ezaky ny fanjakana hiadiana amin’ny famarinana olona. Lany andro tamin’ny taona 2019 ny drafi-pirenena hiadiana amin’ny famarinana olona ary tsy nanome vola hanatanterahana ny drafi-pirenena ny fitondrana nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra. Nanomboka namolavola paikadim-pirenena vaovao ny BNLTEH ho solon’ny drafi-pirenena efa lany daty . Niandry ny famerenana mamaky farany nataon’ireo mpikambana mpanolo-tsaina tao amin’ny BNLTEH ilay paik’ady tany amin’ny faran’ny fe-potoana nanaovana ny tatitra. Betsaka ny fanentanana nataon’ny fanjakana hampahafantarana ny vahoaka mikasika ny famarinana olona, raha tsy nisy izany nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra teo aloha. Nikarakara famelabelarana ho fanentanana ireo mpianatra lalàna ao Antananarivo ny BNLTEH, ary niara-niasa tamina vondrona iraisam-pirenena iray tamin’ny famolavolana horonan-tsary nalefa tsy tapaka tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena ao Ivato mikasika ireo loza mety hateraky ny fifindra-monina mampidi-doza sy ny famarinana olona. Nanao fanentanana miompana amin’ny ny fampiasana an-trano ny zaza tany amin’ny fokontany sahirana maromaro ny Ministeran’ny Asa, ny Fampanana Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, ary nanome fanofanana sefom-pokontany miisa 80 mikasika ny andraikitra tanan’izy ireo hisorohana sy hitoriana ireo tranga fampiasana an-trano zaza tsy ampy taona. Tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny vondrona iraisam-pirenenairay dia nanentana mikasika ny fampiasana zaza tsy ampy taona sy ny asa an-terivozona any amin’ny famokarana lavanila ny fanjakana. Nametraka laharan-tariby azo antsoina hitaterana ireo tranga famarinana olona ny BNLTEH, ary nisy tompon’andraikitra natokana handray ireo antso miditra ; na izany aza anefa dia andoavam-bola io antso io. Araka ny nambaran’ny fanjakana dia 5 ny antso voaray nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra saingy tsy nifandraika tamin‘ny famarinana olona ireo antso ireo. Tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny vondrona iraisam-pirenena iray, dia nanohy ny fametrahana laharan-tariby mahazo manerana ny Nosy azo antsoina maimaimpoana ny fanjakana hitaterana ireo tranga fampijaliana ankizy. Nanambara ny fanjakana fa 27 ireo tranga fanararaotana ankizy voaray tamin’io laharan-tariby io nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra, saingy tsy nanome ny antsipirihany amin’ny mety nisian’ny endrika famarinana tamin’ireo tranga ireo nefa dia nisy tranga mahakasika ankizy 9 nampanaovina asa an-terivozona tamin’ny sehatry ny asa an-trano ary famarinana mamoafady 1 nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra teo aloha. Toy ny tamin’ny taona lasa dia tsy nahazoana tatitra ny fitondrana raha nandray an-tanana ankizy niharan’ny an’ny famarinana hita tamin’ny alalan’io laharan-tariby.

Mbola mihatra ilay fandrarana nivoaka ny taona 2013 izay mandrara ireo mpiasa mpila ravinahitra tsy ho any amin’ireo firenena heverin’ny fitondrana fa mampidi-doza, izay tsy voafaritra mazava. Nihoaran’ireo birao tsy ara-dalana mpandray mpiasa nefa izany lalàna izany ka nitohy ny fandefasan’izy ireo mpiasa izay ampandalovina ao Komoro, Etiopia, Kenya, Maorisy ary Seychelles. Hamahana izany olana izany sy hamantarana ireo orinasa mpanao fandraisana mpiasa tsy ara-dalana, dia notohizan’ny fanjakana ny fampiatoana ireo orinasa mpandray mpiasa ka dia voarara araka izany ny fandraisana mpiasa hiasa any ivelany. Ity fandrarana ny mpiasa mpila ravinahitra ity dia nahatonga ireo Malagasy tsy hahita irika hivoahana ara-dalàna hiasa any ivelany, hany ka tsy afaka nisitraka ireo rafitra fiarovana natokana ho an’ny mpandeha nahazo alalana izy ireo ka mora niharan’ny famarinana sy ny fampitahorana izy ireo. Ny volana Septambra 2019 dia nanao fanambarana ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka fa ho hentitra kokoa ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy fanamarinana ny anton-dia ho an’ireo vehivavy Malagasy hiondrana eny amin’ny seranam-piaramanidina mba hamantarana sy hanakanana ireo izay mandao ny firenena amin’ny fomba tsy ara-dalana handehanana any amin’ireo firenena voarara. Nisakana ny vehivavy tsy handeha an-kalalahana ny fampiharana izany ary nampihena ny fahafantaran’ireo polisin’ny sisintany ireo famantarana ny endrika famarinana izay zava-dehibe mihoatra ny fahafantarana ny toerana halehan’ilay olona sy ny fananany ny antontan-taratasy ahafahany mivezivezy. Nazavain’ireo tomponandraikitry ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy nahitsiny izany fepetra izany taty aoriana. Nanohy nanara-maso ny fandehanan’ireo mpiasa hila ravinahitra any amin’ny firenena tsy ao anatin’ny “Golfe” ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampanana Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy ary nitaky ny tsy maintsy hankatoavan’ny masoivoho Malagasy voakasika ny fifanarahana hiasa. Tsy nisy ezaka loatra avy amin’ny fanjakana mba hametrahana fifanarahana telolafy eo amin’ny fanjakana sy ireo orinasa mpandray mpiasa ary ireo toeram-piofanana hiasa. Ny volana Janoary 2020 dia vitan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny Minisiteran’ny Asa tanteraka ny famolavolana ny fifanarahana mikasika ny asa tamin’i Kaomoro, Koweït, Liban, Maorisy ary Arabie Saoudite izay natomboka nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra teo aloha, saingy tsy mbola voasonia izany.

Nanohy ny ezaka nampihenana ny fanjifana ny fivarotan-tena ny fanjakana, ao anatin’izany ny fizahantany mamoafady mahakasika ny zaza. Tamin’ny taona 2019 ny Minisiteran’ny fizahan-tany dia niara-niasa tamin’ny vondrona iraisam-pirenena, nijery ny fahamatoran’ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany niisa 1 000 any amin’ny faritra 12 izay efa nahavita sonia tany aloha ny fitsipi-pitondrantena ho an’ny fizahan-tany iadiana amin‘ny fanararaotana mamoafady ny ankizy sy ny fizahan-tany mamoafady . Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin‘ny faritra Boeny sy Diana ny Minisiteran’ny Fizahantany nanamarina raha tena nampihatra ilay fitsipi-pitondrantena tokoa ireo mpandraharaha. Tsy voafaritra ny isan’ny fitsirihana vita raha toa ka niisa 178 izany ny taona 2018. Tsy nahazoana tatitra ny fitondrana raha nisy ny mpandraharaha nandika ny fitsipi-pitondrantena sy mikasika ny fepetra noraisina nentina nanarina izany. Nandritra ny fe-potoana nanaovana ny tatitra dia nisy mpandraharaha amin’ny resaka fizahantany 25 vaovao, avy amin’ny faritra Diana, nanao sonia ilay fitsipi-pitondratena. Nanatanteraka fidinana ifotony ny Minisiteran’ny Fizahantany ka nampahatsiahy ireo toerana fandraisam-bahiny ny tsy maintsy ametahan’izy ireo eo amin’ny faritry ny fidirana ny peta-drindrina mandrara ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny zaza tsy ampy taona. Nametraka takela-tsorabaventy mitovy amin’izany teny amin’ny seranam-piaramanidina ihany koa ny fanjakana hampitandremana ireo mpizaha tany. Nitohy ny fiaraha-miasan‘ny Minisiteran’ny Fizahantany tamin’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakàna nanaparitaka bokikely ho an’ireo mpizaha tany hampahatsiahivana azy ireo fa voararan’ny lalàna ny famarinana mamoafady ny zaza. Na izany aza, manoloana ny firongatry ny fizahantany mamoafady, dia tsy mbola nahazoana tatitra ny fitondrana mikasika fitsarana na fanamelohana vokatry ny fizahantany mamoafady ary nisy hatrany ny tatitra mikasika firaisana tsikombakomba ataona tompon’andraiki-panjakana amin’izany heloka bevava izany. Tsy nanome fiofanana ireo diplaomaty manodidina ny resaka famarinana olona ny fanjakana.

ENDRIKA ISEHOAN’NY FAMARINANA OLONA
Araka ny tatitra azo tao anatin’ny dimy taona, dia nisy ireo teratany sy vahiny niharan’ny famarinana tao Madagasikara ary teratany Malagasy iharan’ny famarinana tany ivelany. Ireo mpamarina dia nanararaotra zaza Malagasy, indrindra ireo zaza avy amin’ny faritra amorontsiraka sy ambanivohitra sy avy amin’ny fianakaviana sahirana any amin’ireo faritra andrenivohitra amin’ny famarinana mamoafady, asa an-terivozona any amin‘ny sehatry ny asa an-trano, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny jono sy ny fambolena manerana ny Nosy. Nitombo ny isan’ny zaza terena hangataka ao Antananarivo. Araka ny tatitra voaray dia teren’ireo mpamarina ireo zaza, ao anatin’izany ireo manana fahasembanana, hiasa mandritra ny ora maro sy amin’ny toerana mampidi-doza, ary ireo ray aman-dreniny ihany no maniraka ireo zaza ireo matetika. Ny ankamaroan’ny tranga famarinana mamoafady ny zaza dia hita any amin’ireo toerana fandehanan’ny mpizahatany, ireo faritra mamboly lavanila ary manodidina ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany ara-dalana na tsia, ary ny fianakaviana mihitsy no mamporisika. Manamora ny fahatanterahan’izany heloka bevava izany ihany koa nefa ireo mpandraharaha amin’ny resaka fizahantany, ireo toerana fandraisam-bahiny, ireo mpitondra fiarakaretsaka, ireo toerana fanorana ary ireo olon-dehibe manao asa fivarotan-tena eo an-toerana. Mitohy ny fanararaotana zazavavy manomboka amin’ny 13 taona amin’ny fizahantany mamoafady, any Nosy Be sy any amin’ireo ireo faritra amorontsiraka hafa. Lehilahy Malagasy ny ankamaroan’ireo mpanjifa famarinana mamoafady ny zaza. Teratany Frantsay sy Italiana ny ankamaroan’ireo mpizahatany mamoafady vahiny, ary misy tandrefana hafa sy Komoriana fa vitsy kokoa. Misy ireo mandray ankizy tsy ampy taona alaina am-pitaka hiasa ho mpandroso sakafo na mpanotra ao Antananarivo sy Mahajanga avy eo avarin’ireo mpanararaotra hanao asa mamoafady. Misy ireo mpamarina manararaotra ny fomban-tany toy ny fanambadiana amboarina, fividianana vady ary tsenan-ampela hanaovana famarinana mamoafady amin’ny zazavavy. Araka ny heno dia misy mpiasam-panjakana miray tsikombakomba mba hahazoan’ireo mpamarina olona kara-panondro hosoka hanamorana ny famarinana mamoafady ny zaza eo an-toerana na ny fampanaovana asa an-terivozona hiasa an-trano ireo vehivavy Malagasy any ivelany. Araka ny tatitra tany aloha dia miha-mihanaka ny famarinana mamoafady ny zaza lahy. Mitohy ny asa an-terivozona ho fampiharana ny “Dina” izay tsy inona fa fifanarahana tsy ara-dalana ho fandoavana vola, ho valina heloka na koa fomba famahana fifanolanana na fandoavana trosa. Mitohy izany satria tsy mampihatra ny lalana araka ny tokony ho izy ny manam-pahefana.

Betsaka ireo vehivavy malagasy miasa an-trano any Sina, Liban, Koweït sy Arabie Saoudite, ary ambaran’ny mpanao gazety fa miezaka handika ilay lalàna tamin’ny 2013 izay mandrara ny fandefasana mpiasa hiasa any Moyen-Orient ireo orinasa mpandray mpiasa tsy ara-dalana, ka alefany mandalo an’i Kaomoro, Etiopia, Kenya, Nosy Maorisy ary Seychelles ireo mpiasa taratasy fivahinianana ho an’ny mpizahatany. Ireo mpamarina olona izay milaza ho miasa amina orinasa mpandray mpiasa, dia mandefa vehivavy Malagasy hiasa any Sina amin’ny alalan’ny kara-panondro hosoka, ary iharan’ny fanararaotana toy ny asa an-terivozona na amidy ho vadin’olona ireny vehivavy ireny rehefa tonga any. Misy ireo mpamarina olona sy mpampiasa no manararaotra ireo lehilahy Malagasy hanao asa an-terivozona any amin’ny sehatry ny fitantanan-draharana sy fananganana trano any Moyen Orient ary any amin’ny asa an-trano any Sina. Ny fampiatoana ireo orinasa mpandray mpiasa dia nanome vahana ireo mpampiasa sy ireo mpamarina olona hanao fampitambazana ireo mpiasa mila ravinahitra na hitaky tsolotra amin’izy ireo . Araka ny tatitra dia misy amin’ireo mpamarina olona sy ireo mpampiasa no manararaotra ireo mpiasa Malagasy any amin’ireo firenena arabo, ka manao fanararaotana amin’ny endriny maro samihafa toy ny herisetra amin’ny vatana, ny fitanana ny karama ary ny fitazonana ny pasipaoron’izy ireo.